Miverena
Miverena
  Teknisianina mitsidika tantsaha   Manaraka
Manaraka

    Tena marina hono izy ity e.

Tany ambanivohitra iray izany hono nisy fitokanana tohadrano (barrage ho an'izay tsy mahalala) sy tamba-jotra (reseau d'irrigation) amin'ireny sehatra PPI ireny. Rehefa vita ary ny fanapahana ny "ruban", miaraka amin'ilay bizy kely mahazatra sy ny fanomezana voninkazo ireo
manam-pahefana, dia niroso tamin'ny adi-hevitra tamin'ireo tantsaha ity
tekinisianina manam-pahaizana avy any amin'ny minisitera any Antananarivo (olobe izany an). Dia hoy izy:

- Raha misy fanontaniana manitikitika anareo dia izao no fotoana fanararaotana hametrahanareo izany. Marihiko anefa fa ny fanontaniana goavana ihany no ho valianay avy any Antananarivo fa ny hafa dia hodinihinareo miaraka amin'ny solon-tenanay eto an-toerana.

- Tantsaha 1: "Ahoana ny amin'ny fitsinjarana ny rano ho an'ny mpampiasa ny tamba-jotra ?". 

- Valiny: dEtail izany ka tsy ho valiako eto. Fanontaniana manaraka. 

- Tantsaha 2: "Moa ve misy mpiambina eto amin'ny tohadrano afaka mijerijery ny fandehan'ny rano ?".

- Valiny: Dia mbola dEtail izany fa fanontaniana hafa apetraka e.

- Tantsaha 3: "Ahoana ny amin'ny fikarakarana ny tabika (canaux d'irrigation ho an'izay tsy mahay)?".

- Valiny: DEtail daholo izany re olona O. Ny tekinisianina eto an-toerana no hamaly an'izany.

- Tantsaha 4, sady tezitra mafy: Ianao ve Rangahy ity mihevitra anao ho
izy mihitsy a? Izay teneninay izany DIA TAY DAHOLO fa ny anao ihany no 
MANITRA !!!! 

 

Mpandefa:        Ranarivelo  Lucien
Daty:                13 May 1996

 

Miverena
Miverena
      Manaraka
Manaraka

  Miverena any amin'ny pejin'ny hatsikana Miverena any amin'ny tranon'i Benoit Fandefasana hatsikana vaovao  
Boky fanaovan-tsonia Fandefasana taratasy aty amiko

      Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka 

1