Miverena
Miverena
  Aza avela irery aho ka!   Manaraka
Manaraka

    Toerana iray ivelan'ny Eoropa.

Reraka avy niasa ireto zalahy telo lahy, mitari-tongotra handeha hody. Ny lalana moa somary lavidavitra ka velona ny resaka. Inona moa ny votoatin'izany fa ny fahamafisan'ny fiainana eo an-tanAna. Ny tena mampieritreritra ny rehetra anefa dia ny fisian'ireto eoropeana toa tsy mety mafy ady toa an-dry zareo tera-tany fa toa manam-bola sy falifaly foana (ohatran'ny eo amin'ireny sarimihetsika ireny eh).

- Raha toa izany ary ny fomba fiainany aty amintsika, dia manao ahoana 
  ny any aminy ry leiroa ?
- Marina tokoa izany....
- Mba maniry ny hijery izany any an-dafy izany aho leitsy...

Kinanjo .... nony nandalo teo amin'ilay kirihitr'ala dia nisy feo mimenomenona. Mitoditodika daholo ny rehetra mitady izay niavian'ilay feo fa .... tsy mety hita.

Efa andeha hirifatra hitsoaka iny indrindra ry zareo ny niantso ilay feo ary niteny hoe: "Ianareo telo lahy ireo ... afaka manantanteraka izay irInareo aho. Tandremo nefa ... fanirIna iray isan'olona anefa no azoko tanterahana ka heritrereto tsara izay angatahinareo ..." 

Tonga ilay voalohany (mailo indrindra) dia nahatsiaro izay noresahina teo aloha ka niteny haingana hoe: 
- maniry ny hijery izany any an-dafy izany aho.
Hoy ilay feo namaly: 
- eny ary ... tanteraka ny fanirianao.
Klinnng, tsy hita tampoka ranamana.

Gaga ilay faharoa ary nieritreritra hoe: "tena lasa tokoa ranamana". Tonga dia nandray fitenenana izy ary niteny hoe: 
- maniry ny hijery izany any an-dafy izany koa aho ... 
Hoy ilay feo namaly: 
- eny ary ... tanteraka ny fanirianao.
Klinnng, tsy hita tampoka ranamana.

Taitra ilay fahatelo (torak'ovitra) nahatsikaritra fa izy irery sisa no teo.
- aza avela irery aho kah.
Hoy ilay feo namaly:
- eny ary ... tanteraka ny fanirianao.
klinnng, indro izo roa lahy voalohany fa nipoitra tampoka ;-) 

 

Mpandefa:        Andry (Geneva) 
Daty:                10 May 1996

 

Miverena
Miverena
      Manaraka
Manaraka

  Miverena any amin'ny pejin'ny hatsikana Miverena any amin'ny tranon'i Benoit Fandefasana hatsikana vaovao  
Boky fanaovan-tsonia Fandefasana taratasy aty amiko

      Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka 

1