Toy ny fianakaviana rehetra
eran-tany dia mba sarotiny ihany koa ny fianakaviana
malagasy amin'ny fitaizana ny taranany. Anisan'ny mitana
anjara toerana lehibe ao amin'izany fitaizana izany ny
fahalalam-pomba. Ny fianakavian'i Lita sy Ketaka ary Bozy dia anisan'ireo izay sarotiny dia sarotiny tokoa raha io no lazaina. Indray andro dia nentin'i Nenifara Tiana nihinana mofomamy sy izay zavatra rehetra tiany izy telo mianadahy satria tena hendry tokoa ka nifindra kilasy daholo. Satria be dia be ny toerana naleha sy ny zavatra natao dia tratra hariva izy ireo. Reraka dia reraka koa ry zareo, sady koa moa ny mpanendaka dia isaky ny iray metatra ao Antananarivo rehefa harivariva, ka dia tapa-kevitra fa handray fiara fitateram-bahoaka hody fa somary lavidavitra ny fodiana. Iaraha-mahalala moa fa ny fiara fitateram-bahoaka dia tena feno hIka rehefa harivariva ny andro. Manaraka izany dia ela dia ela izy ireo vao tonga. Sendra tonga ary ny fiara kanefa ry Lita mbola somary lavitry ny fandraisana azy ka dia tapa-kevitra fa hiazakazaka ry zareo. -Lita: Andao isika
Nenifara hiazakazaka fa ela be indray ny bus -Nenifara: Tsy mbola nisy bus eo fa aleo mandeha
miadana ihany isika. -Lita: Io ny bus ka! -Ketaka: Tsy mbola misy bus izany eo fa aleo miandry. -Lita: Fa tsy hitanareo ve
io fipetrahany io e? Io mitrangatranga -Bozy: Fipetrahany ahoana? -Lita: FipetrahanY!
FipetrahanY! (sady notondroiny ny fipetrahan' Tafatombina teo ambony sisin-dAlana izy telo mianaka fa toran'ny hehy. Tsy nisy henatra ny olona intsony. -Ketaka: Fa angaha izany no anaran'io rehefa bus no resahina? -Lita (sady tezitra no nanganohano): Ianareo koa
ny olona |
Mpandefa: Sahoby Raharinirina
Daty: 13 May 1996
![]() ![]() ![]() |
||
![]() ![]() |
Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka