Miverena
Miverena
  Avant-dernier   Manaraka
Manaraka

    Niteraka kambana hono i Mamalen dia i Lebonaika sy i Lefatsora izany, ka i Lebonaika no zokiny ary i Lefatsora no zandriny. 

I Lebonaika zokiny moa dia itony ilay atao hoe zaza vonton'anatra itony ka mianatra tsara sy tsy manao ambanin-javatra ny enti-mody sy ny lesona hany ka ankasitrahan'ny mpampianatra rehetra any am-pianarana. Saingy votsa fihetsika sy votsa vava izay ny anao lahy ka tsy dia miteny firy sy abatibatian'ny namany matetika. Izany hoe votsa fihetsika fa kinga saina. 

I Lefatsora zandriny indray dia zaza be lalao, kamo mianatra, tsy mahavita na enti-mody na lesona isan'andro lava izao. CollE foana ny anao lahy isaky ny Alakamisy hariva. Izy kosa nefa etsy andanin'izany dia tena malama vava be izay. Io ilay hoe votsa saina fa kinga vava.

Izany hoe mifanao 180 degres ny toetran'izy mi-ral!

Indrisy moa fa efa nisara-panambadiana ny RRenin-dry zareo. Teo amin-dReniny izy roalahy no nobeAzina. 

Fanaon'ity Rainy moa ny mananatra azy mi-ral rehefa manoratra na miresaka rehefa tonga mamangy, ka hoy izy matetika amin'izany: mianAra tsara, aza mba atao tsirambina ny fianarana!

Indray andro izay nefa raha sendra namangy azy telo mianaka ity Rain'izy roalahy dia niteny tamin'izy roalahy hoe: "Hoentiko mijery solema (cinema) ny iray aminareo mi-ral". 

Reniny moa tsy teo fa lasa niantsena. Fa hoy indrindra Rainy nanohy ny teniny: "izay tsara laharana any ampianarana aminareo roalahy no miaraka amiko mijery solema, ka valio aho hoe laharana fahafiry avy hianareo roalahy!". Tonga dia i Lefatsora no namaly haingana hoe: izaho FAHAROA foana any am-pianarana fa i Lebonaika kosa AVANT-DERNIER foana. I Lebonaika moa amin'ny mahabonaika azy dia tsy niteny intsony satria marina ny voalazan'i Lefatsora. 

Ka dia lasa i Lefatsora sy ny Rainy nijery solema. Hafaliana tsisy hoatr'izany ny an'i Lefatsora, feno azy ny araben'IsorAka. 

Tafaverina tao an-trano izy mianaka rehefa tapitra ny solema. Niomankomana ny hanainga ny lehilahy nony avy teo ka nanao veloma sy nanoroka an'ireto zanany. Tsy tapitapitr'izay nefa dia velom-panontaniana tsy nahy ny Rainy ka nanontany hoe: 

 "Dia hono ho'a rankizy, firy ny isanareo ao an-dakilasy?

Tsy namaly i Lefatsora fa nodiany fanina ny fanontanian-drainy! Ka i Lebonaika no voatery namaly ka niteny hoe: ANANKIROA! 

 

Mpandefa:        Benoit Fils Razafimbahoaka
Daty:                 15 Mars 1996
 

 

Miverena
Miverena
      Manaraka
Manaraka

  Miverena any amin'ny pejin'ny hatsikana Miverena any amin'ny tranon'i Benoit Fandefasana hatsikana vaovao  
Boky fanaovan-tsonia Fandefasana taratasy aty amiko

Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka

1