Kiakin'ny maona Bla, bli, ble Tsy hita hoa ny lakile Hahafahana mande Ka very saina Ramose Bli, bla, bli Foana koa ny an-dovia Mamanara ny ao an-dakozia Ny mpanankanto vaky toham-baliha Ny any Ambohibelona mikaviavia Maro no lasa mikodiadia Ny sasany mitsikasina eny amorom-parihy Bli, bli, bla Ny Kazabe an-dakamena Sondrian-tory mihenahena Masindahy Petera Tsy mety mandinika ity afera Bla, ble, bli Ny vatolampy novontosan-tantely Toa mandatsa no sady tsy mamely Blo, blo, blo Avy aiza ny famonjena anay o? ... Tapitra fa mamitsaha amin'izay. Fanamarihana: sanatria ny vava ladinin'ny lela tsy hoe manazimbazimba ny Kazabe an-dakamena ka hoe mifohaza hiady vomanga rehefa tsy hitahy, fa na ny vomanga hoadina aza efa tapitra nosokirin'ny kilongalahy natonony, fa mba tolokon'ny maona-naona ireo. |
Mpandefa: Herlyne Ramihantaniarivo
Daty: 15 Mars 1996
![]() ![]() ![]() |
||
![]() ![]() |
Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka