Miverena
Miverena
  Diso fanantenana   Manaraka
Manaraka

    Indray andro sendra tafaresaka izy mirahalahy zanaky Rakoto. Efa antintratitra ihany Rakoto satria irony olona talohan'ny ady 1947 irony. 

Tafaresaka hoy aho izy mirahalahy zanany, ka gaga nahita an-drainy nivoaka ny trano somary manao fandeha misabakabaka. Lasa saina izy roalahy ka nifanontany. 

-Zanaka 1: Fa hono hoa letia, i Dada letia toa lasa manao 
           fandeha hafahafa tsy tsikaritr'ialahy ve? Lasa 
           saina letia aho hoe mety ho vokatry ny ady t@ 
           1947 leitsy io a, voadona tany angamba ny 
           tongony ka lasa takaitra mandraka androany, sa 
           ahoana hoy ialahy?
          
-Zanaka 2: Non, letia, izaho indray aloha tsy dia izay ny 
           eritreritro e, angamba hoy aho mety nianjera 
           tao amin'ny tohatra tao izy ka voadona ny 
           tongony ka lasa niova ny fandehany fa naharary 
           loatra ilay fianjerana.

Niady hevitra teo izy roalahy, ka farany raikitra fa hanontany mihitsy an'i Rainy ny tena antony fa tena misy tery ity zavatra ity.
  
-Zanaka: Fa hono hoa ry Dada? Lasa ihany ny sainay 
         roalahy ka niady hevitra hoe, maninona moa i 
         Dada no manao fandeha hafahafa? Izaho 
         nieritreritra hoe angamba vokatry ny ady t@ 
         1947, dia tsy mino ahy i lery, ary i lery 
         mihevitra hoe angamba nianjera ka izay no antony, 
         ka tsy mino an'izany aho, ka izay no antony 
         anontanianay an'i Dada.

-Dada:   He ... (sady misento) ... samy DISO FANANTENANA 
         isika telo mirahalahy. 

-Zanaka: Fa ahoana izay ry Dada?

-Dada:   Diso fanatenana ianareo roalahy fa tsy ireo antony 
         voalazanareo ny antony. Fa izaho koa aza mba diso 
         fanantenana satria:"mba nihevitra aho ny HAMOAKA 
         RIVOTRA(peter) fotsiny, hay nanara-betiny ilay izy"
        
Ha.ha.ha.(Miala tsiny ho an'izay sensible @ hatsikana toy itony e)

 

Mpandefa:        Manitra Andriaharifara 
Daty:                12 Jun 1996

 

Miverena
Miverena
      Manaraka
Manaraka

  Miverena any amin'ny pejin'ny hatsikana Miverena any amin'ny tranon'i Benoit Fandefasana hatsikana vaovao  
Boky fanaovan-tsonia Fandefasana taratasy aty amiko

      Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka 

1