Indray andro, mba nasain'i
Bema i Koto mba ho any ampiangonana. I Koto mantsy irony
bandy tsy mpiditra ampiangonana irony fa isaky ny alahady
izy dia lasa miloka any @ namany any na lasa
mitaingin-tamboho, .... Indray andro mba andro malaza, nisy fety tao amin'ny fiangonana, tsy tadidiko ilay izy na Andro Pasaka na andro Krismasy na ... tsy dia izany no zava-dehibe. -Bema: Andao leitsy ry Koto
mba handeha any ampiangonana fa -Koto: Ka izaho leitsy izao
tsy mivavaka ,tsy maninona akory -Bema: Andao ary mba hiaraka amiko fotsiny e. -Koto: Dia izay angaha,...
Lasa ny fanombohan'ny fivavahana, ka indro tonga indrindra teo amin'ny Toriteny. Ny "Texte" notoriana mantsy dia ny nahafatesan'ilay Mpamonjy. -Mpitoriteny: Maty ilay
Mpamonjy, nohomboana Izy noho io Ny zavatra niseho anefa nahatsikaritra i Koto fa toa tany aminy foana no nojeren'ilay mpitoriteny, sy ny nanondroany ny tanany. Tsy niteny izy fa ny masony fotsiny no napitrapitrany. Tampoka teo anefa maty tampoka ny jiro, taitra i Koto ka nivolana hoe: "Ie, dia hevero indray ary fa dia izaho koa no namono io Jiro io!!", sady lasa izy nivoaka. |
Mpandefa: Manitra Andriaharifara
Daty: 10 Jun 1996
![]() ![]() ![]() |
||
![]() ![]() |
Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka