Tena mpirevy CafE ity Rangahy
iray ity. Indray andro izy teo Ankadifotsy raha nandeha
an-tongotra iny indrindra no injay namely mafy ny
hetahetana CafE. Niditra tao @ mpivaro-mofo iray akaiky
azy indrindra izy t@ izany ary nanontany hoe: -misy CafE mangatsiaka ve? Fa namaly ilay mpivarotra: -CafE mafana no misy fa tsy misy CafE mangatsiaka. Dia niroso ihany ny dia an-tongotr'ity ranamana ka nanontany foana izy isak'izay misy mpivaro-mofo manao hoe: -misy CafE mangatsiaka ve? Fa namaly foana ny mpivarotra nanao hoe: -CafE
mafana no misy fa tsy misy CafE mangatsiaka. -misy CafE mangatsiaka ve? Fa namaly foana ny mpivarotra manao hoe: -CafE mafana no misy fa tsy misy CafE mangatsiaka. Nandalo an'Anosibe, tsisy fika. Fa raha vao nihazo an'Anosizato iny i ranamana ka niditra tao amin'ity mpivaro-mofo iray dia nanontany toy ny mahazatra: -misy CafE mangatsiaka ve? Fa namaly ilay mpivarotra: -Eny
Tompoko, tsara vintana hianao fa mbola misy CafE
Ranamana: -Ouf! Enfin! Mba afanao kely ary ange azafady e! |
Mpandefa: Benoit Fils Razafimbahoaka Daty: 27 May 1996
![]() ![]() ![]() |
||
![]() ![]() |
Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka