Miverena
Miverena
  Vokovoko Manga   Manaraka
Manaraka

    Antoandro sy hariva dia toy izao foana ny fiainan'i RatrA. Miditra ao @ CafE Tanamasoandro ary mikomandy: 

-RatrA: Martini roa azafady!
 
T@ andro voalohany dia naneho ny hagagany ilay barman, nefa dia nohazavain-dRatrA taminy avy hatrany:
 

-RatrA:  Nanana fati-drA iray izay aho r'ise izay niara-nizara ny manta sy ny masaka tamiko ary niara-misotro foana izahay roalahy. Lasa nandrato fianarana any Russie nefa i nedala ary avy eo dia henoko fa lasa nanambady viavy Rosiana ary mipetraka any ambanivohitr'i Siberie any hono (aza manody). Ka hatr@ izay dia tsy naharenesako na inona na inona intsony momba azy. Ka mba ho fahatsiarovako azy @ sisa dia misotro vera roa aho: dia ny ahy sy ny azy. 

Dia tsy niova fa toy izany foana ny fiainan-dRatrA efa ho folo taona izay.

Indray antoandro nefa niditra tao @ Tanamasoandro i RatrA ka nikomandy: 

-RatrA:  Martini iray ihany azafady.
 
Gagagaga ilay barman ary loa-bava:

-Barman: Ataoko fa tsy misy na inona na inona nanjo ilay namanao!!!

-RatrA:  An an an, tsy misy na inona na inona mihitsy nanjo azy. Saingy ny veran'i lery ihany sisa no sotroiko. Niditra mpikambana ao @ vokovoko manga malagasy aho mantsy. 

 

Mpandefa:        Benoit Fils Razafimbahoaka
Daty:                20 May 1996

 

Miverena
Miverena
      Manaraka
Manaraka

  Miverena any amin'ny pejin'ny hatsikana Miverena any amin'ny tranon'i Benoit Fandefasana hatsikana vaovao  
Boky fanaovan-tsonia Fandefasana taratasy aty amiko

      Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka 

1