Miverena
Miverena
  Masindah/Ikotofetsy/Imahaka   Manaraka
Manaraka

    Atsikana notantarain'ny mpampianatra anay efa ho 15 lasa izy ity anefa tadidy foana fa mampiohomehy, ka tandremo sao tapaka tsinay fa efa crise izao ny catgut. 

Zaridaina tsara tarehy feno voankazo isan-karazany ny zaridainan'i Masindah, ka mahazo makao daholo ny olona rehetra. Ka dia mba tonga tany koa Ikotofetsy sy Imahaka. Misy fitsipi-dalao anefa tsy maintsy harahina tsara ary dia misoratra mazava eo ambavahady izany: 

    1- Mahazo mihinana ny voankazo rehetra, saingy tsy misy azo hariana fa atelina daholo; ka ataovy tsara ny safidy. 

    2- tsy mahazo mitondra mody na voany iray aza. 

Rehefa voky an-tendakely Ikotofetsy sy Imahaka, dia tsy naharitra fa mbola nanao am-paosy ny voankazo tiany izireo; ary dia roso fa hande hody. Tsy maintsy mandalo eo @ Masindah anefa manao veloma sy savaina. 

- Masindah:   Tsy efa lazaina moa ialahy ry Ikotofetsy 
              hoe tsy mahazo manao am-paosy. Sazin'ialahy 
              dia averina @ialahy daholo ireo rotra 
              nataon'ialahy ampaosy ireo, ary dia aty @ 
              vava fitombenan'ialahy no hamerenako azy. 

Dia variana nanatsofoka tsirairay ireo rotra avy aty @ vava fitombenan'Ikotofetsy hono Masindah. Lokilokin'ny hehy anefa Ikotofetsy sady tapaka ny tsinainy. Gaga i Masindah ka loa-bava: 

- Masindah:   Ilay zalahy ity tsy mety handairan'ny 
              fananarana mihintsy marina moa. Sazy 
              goavana be izao ka mbola toran'ny hehy 
              ihany nedala. 

- Ikotofetsy: Tsy izany mantsy Masindah fa laodisy 
              ny an'Imahaka. 

PS:laodisy= litchi 

 

Mpandefa:        Herlyne Ramihantaniarivo 
Daty:                 22 Mars 1996
 

 

Miverena
Miverena
      Manaraka
Manaraka

  Miverena any amin'ny pejin'ny hatsikana Miverena any amin'ny tranon'i Benoit Fandefasana hatsikana vaovao  
Boky fanaovan-tsonia Fandefasana taratasy aty amiko

Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka

1