- Ndao akia hiaraka isika roa vavy a!
- Ho aiza hono?
- Hanolo karapanondro any amin'ny Firaisana
akia a!
- Fa hanolo karapanondro isaky ny inona ity
Ranona? ... Tsy vao tamin'ny herintaona
i
Ranona no nanolo?
- Ka jereo ity izy e! ... Izao dia ho
karapanondro intsony?
- Ary toa feno tokoa izato izy! ... Angaha
dia mihina-menaka hatramin'ny
paoketranareo
Ranona a!
- Hay! Tany Mavoloha io e! ... Samy nameno
Paosy sy Paoketra DAHOLO anie ny olona
tamin'
ilay Sakafo Be tany e! ... Ny sasany
izany
aza, dia efa nivatsy harona plastika
mihintsy.
F'izany akia Ranona, dia iray segondra
monja
no ipetrahan'ny Tsakitsaky eo ambony
latabatra
dia MANJAVONA izay mipoitra a! ... Izany
no
nahafeno menaka an'ity karapanondroko
ity,
satria nafatratro tao daholo na
<mortadelle>,
na <salami>, na hena voaendy e! Fa tena
hipoka
ho'aho ny poketrako.
- Dia tsy mba nahatsiaro Menatra ve aky
ianareo?
... Dia ahoana no fitazan'ireo Vahiny
anareo?
... Angamba velona ny hoe: "Tena Mamba
Noana ireto
Malagasy ireto". Sy ny hoe: "Raha
ireo no tonga eo
amin'ny Fitondrana eo, dia ny hameno paosy
hoatra
izao koa angamba no hita". Ary mino aho
fa efa
voatantaran-dry zareo any aminy any iny
"Toetra
tsy Mendrika" nataonareo Malagasy
MANAN-KAJA
nasaina teo iny! ... Mba MENATRA amin'ny
sisa
Ranona, mba tsy hilazana anareo hoe
"4-Ami Manan-
Kaja" a!
Madagascar Tribune du 18/02/97
Asa ho an'izay te hody : Mitondra fitaovana
fi-<plastifier>-na karatra fa reraka manolo
karapanondro ny olona!
|