Miverena
Miverena
  Faktera   Manaraka
Manaraka

    Nitantara tamin'ny zafikeliny ny fahatanorany Dadabe,Ka nandeha hono ilay tantara,dia nolazainy teo daholo izay zavatra nianjady taminy. Ka rehefa avy ela ny ela dia tonga teo amin'ny fitiavana ilay resaka. Dia hoy izy hoe: 

- Tamin'izao mbola bogosy anie letsy ry Koto dia 
  tena nisy tovovavy iray izay tena sady manja 
  no tena nifankatia be tamiko. Saingy 
  nifanalavitra moa izay ka dia ny sariny foana 
  no mba jerijereko matetitetika, ary dia ny 
  penina no miasa nanakaiky anay. Ary dia 
  nahavatra nanoratra ho azy isan'andro mihitsy 
  aho tamin'izany. Tany Senegal tany mantsy no 
  nipetraka ry zareo ... 

- Kay ve i bebe efa tany Senegal eh! 

- Tsy bebe no lazaiko amin'ialahy fa sipa hafa ... 

- Fa naninona i dadabe no tsy nanambady io 
  tovovavy io ... 

- Ka elaela taty aoriana letsy na dia nanoratra 
  taratasy indroa isan'andro aza aho dia tsy 
  nanoratra intsony izy. Ny taratasy azoko farany 
  dia nilaza izy fa hanambady ilay "facteur" 
  hono !!!!!!!!!!!!!!" 

 

Mpandefa:        Thierry Le Botity 
Daty:                 20 Feb 1997

 

Miverena
Miverena
      Manaraka
Manaraka

  Miverena any amin'ny pejin'ny hatsikana Miverena any amin'ny tranon'i Benoit Fandefasana hatsikana vaovao  
Boky fanaovan-tsonia Fandefasana taratasy aty amiko

Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka

1