Miverena
Miverena
  Ampio vary Dada a!   Manaraka
Manaraka

    Isan'ny fomba iray nalain'ny Gasy tahaka tamin'ny vazaha ny "nuit de noce". Indrisy anefa fa tsy vitsy ny saro-piaro amin'ny zanany ka tsy mamela azy hanao izany kisipasipa izany. Isan'izany niangaran'ny vintana izany ity tovolahy iray vao avy natao mariazy. Nifanaraka nefa i leiry sy ny Baininy fa hanotrona azy ity Rainy amin'ny "nuit de noce" satria tsy mbola nanao an'izany mihitsy moa hatramin'izay. 

Ka dia tonga Ary ilay fotoana tena izy fanaovana anazy ka izy telo
mianaka irery no tao amin'ilay efitrano voaomana manokana ho amin'izany. Efa tafala akanjo tanteraka izy roa mpivady vao. Natorotoron-dRabainina azy ny fombafomba rehetra satria nivatsy sary iray izy (fantatrao hoe sary manao ahoana). 

Vita an-tsakany sy an-davany iny (alaivo sary an-tsaina). 

Tsy ampy anefa ilay sary satria ilay sary dia tsy mihetsika. Mazava ho azy. Sahiran-tsaina mafy Rabainina, saingy tsy tapitapitr'izay dia hoy izy: 

- Andraso kely iray minitra aho aloha fa haka 
  zavatra vetivety, aza misy mihetsiketsika amin' 
  izao misy anareo izao intsony hianareo na dia 
  iray santimetatra aza mandram-piveriko. 

Tsy ampy iray minitra akory dia tafaverina ingahy Rainy niaraka tamin'ny akoho vavy iray sy fotsimbary eran'ny tanany. Izy roa amin'io tsy nisy nihetsika tamin'ny toerany. "Bon!" hoy Rainy sady nitsiky! 

Ny tanan-dRabainina ankavia mitazona ilay akoho, ny tanany iray maka fotsim-bary sy mametraka izany eo amin'ny fitombenan'ilay zanany lahy, ka isaky ny misy fotsim-bary eo dia tsaingohin'ilay akoho. 

Mandre maharary kely ilay zanany lahy ka mikiaka manao hoe "Hay!" sady miala pA kely isaky ny mitsaingoka ny fotsim-bary apetrak'i Rainy eo amin'ny fotombenan-janany ilay akoho. 

Dia naverimberin-dRabainina io satria bebe ihany ny fotsim-bary novimbininy. Nandeha an-tsakany sy an-davany araka ny nanampoizan-dRabainina azy ny fandehan-javatra rehetra, ka efa lasa routine fotsiny sisa: 

- apetrany ny fotsim-mbary.
- "Hay" hoy ity zanany miaraka amin'ny secousse.

- apetrany ny fotsim-mbary.
- "Hay" hoy ity zanany miaraka amin'ny secousse.

- apetrany ny fotsim-mbary.
- "Hay" hoy ity zanany miaraka amin'ny secousse.

... 

- "Tafita ny tolona ho'a!" hoy Rabainina an'eritreritra. 

Nony ela ny ela, efa maro ny fotsim-bary nandalo, tonga ilay fotoana andrasan'ny maro (vinanio), nikiakiaka tamin-drainy ity zanany lahy niantsoantso sy namerimberina hoe: 

- "Ampio vary Dada a! Ampio vary Dada a! 
   Ampio vary Dada a! ... Ampio varyyyyyyyyyyyyyyyyyyy ...!" 

-------------------------------Tapitra--------------------------------

ps: Ho anareo izay te hanandrana, tsy voatery ho fotsim-bary fa mety daholo hono rehefa mety ho hanin-kotrana, toy ny: katsaka, tsaramaso, voanjobory, mangahazo maina. Tsy voatery ho akoho koa fa mety ihany koa ny DOKOTRA (Anontanio i Alain Ratsimbazafyyyyyyyyyyyyyyyyyyyyyyyyyy!). 

 

Mpandefa:        Radanz 
Daty:                22 Nov 1996

 

Miverena
Miverena
      Manaraka
Manaraka

  Miverena any amin'ny pejin'ny hatsikana Miverena any amin'ny tranon'i Benoit Fandefasana hatsikana vaovao  
Boky fanaovan-tsonia Fandefasana taratasy aty amiko

Mpikarakara ny pejy: Razafimbahoaka Benoit Fils

1