Fa naninona anareo ho'aho i
Emmanuel Alain a! Hampiako hafa ilay resaka, hataoko hoe "OMBY" ny lohateny angamba. Raha misy efa mahay koa moa ilay izy dia vakio indray io tenin'i Alain farany io. Nisy tantsaha iray manana omby ka narary hono ny ombiny fa tena "faible" be ka tsy afa-nihetsika mihintsy. Dia nandeha tamin'ireto Dokoteram-biby (veterinaire, tandremo fa tsy mikendry an'iza n'iza ity a) mba nitady fanafody. Dia hoy ilay dokotera hoe ireto misy "suppositoires" anankiroa miloko manga sy mena ho an'ny ombinao. "Asitriho" androany ny manga ary jereo tsara raha tafatsangana sy sitrana ny ombinao. Raha afaka telo andro ka tsy misy vokany dia "asitriho" indray ilay mena, satria misimisy "daoziny" kokoa ny fanafody ao. Tany ilay tompo-marary, ka tany ... Afaka telo herinandro dia niverina nijery an-dRadoko feno tsiky ... "Mazana ilay fanafody nomenao ireny dokotera, fa vao "nasitriko" ilay manga tao amin'ilay omby narary dia lasa nirifatra izy ... Tsy tratrako intsony ny nanenjika azy fa voatery "nasitriko" tato amiko indray ilay mena vao nahatratra azy aho..." |
Mpandefa: Lucien Laiarinandrasana
Daty: 22 Nov 1996
![]() ![]() ![]() |
||
![]() ![]() |
Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka