Miverena
Miverena
  Johnny Rapida   Manaraka
Manaraka

    I Johnny Rapida dia tena dadany eo amin'ny fanorohana sipa tao amin'ny tanAna. Tena haingana be ranamana amin'io satria poa toa izay dia zakany ary voaorony izay viavy tiany hokOtIna.

      I Radanz indray dia tena dadany eo amin'ny fitifirana @ basy poleta. Tena tsy miraty mihitsy ny akama raha misy zavatra kinendry, eny fa na dia bitika toy ny inona aza izany zavatra kinendriny izany! 

      Samy miseho ho dadany moa izy mitsamy ireo ka efa hatry ny ela no nifanindry aloka sy nifanatsafa.

      Tonga ary ny fotoana izay tsy maintsy hanondroana izay tena dadany marina amin'izy roalahy ireto. 

      Raikitra ny fifanarahana ka toa izao izany: raha voaorok'i Johnny Rapida androany ny vadin-dRadanz eo anelanelan'ny 19:00 sy 20:00 dia i Johnny Rapida no mahery. Raha voatifitr'i Radanz kosa anefa i Johnny Rapida alohan'ny ahaorohany ny vadin-dRadanz dia i Radanz no mahery (raha maty moa dia maty mazava ho azy). Tsy mahazo mitifitra intsony i Radanz rehefa voaorok'i Johnny Rapida i Madama.

      Tonga ary ny hariva, vory daholo ny pokona. I Madaman-dRadanz efa ao an-trano tonga avy niasa, falifaly ery fa mety mba ho tanteraka ny nofinofy hatry ny ela, dia ny hanandrana izany oroka malazan'i Johnny Rapida izany.

      Nipaika ny t@ 19:00. 
    
      Nampatorian-dRadanz teo ambony farafara ny vadiny, i lery kosa mipetraka eo ambony seza eo anilan'ny farafara miandry. Ny tAnany ankavanana mitazona ny basy poleta manondro any @ plafond sady mizesta be (jereo Lucky L. @ boky). Ny rantsana iray amin'ny tAnany ankavia kosa natsofony any am-bavam-badiny mba hanakanana an'i Johnny Rapida tsy hanao ny ataony.

      I Johnny Rapida kosa amin'io mitily avy eo amin'ny varavaran-kely, miandry hirika.

      Tonga ny t@ 19:59 mbola tsy nisy fiovana ny sehatra. I Johnny Rapida efa miahiahy sy efa kotsan'ny hatsembohana ka nanao an-tsaina hoe: tsy maintsy ampiasana fika ity fa tena miandry am-body but ny mpifanandrina @ tena.

      Fa nahita hevitra ary i Johnny Rapida ka nisambotra moka vavy.
    
      Tonga ny 19:59 sy 55 segondra, nalefan'i Johnny Rapida teny amin'ny tapikandrin-dRadanz ilay moka. Nikorapaka Radanz ary tsy naharitra ka nanapa-kevitra fa ny tAnany ankavia izay mitsofoka any am-bavam-badiny no hoesorina vetivety hikapohana ilay moka. 

      19:59 sy 59 segondra, toa ny tselatra ny hafainganan'ny tanan-Dradanz nikapoka ilay moka teo @ andriny ka avy dia naveriny tany am-bavam-badiny ilay rantsan'ny tanany ankavia, saingy indrisy fa efa any anaty oron'i Johnny Rapida no nitsorofaka ilay rantsana ... 
    
      Nojerena ny ora 20:00.
    
      Nojerena ny tanana, feno lelo ...

 

Mpandefa:        Radanz 
Daty:                05 Apr 1996

 

Miverena
Miverena
      Manaraka
Manaraka

  Miverena any amin'ny pejin'ny hatsikana Miverena any amin'ny tranon'i Benoit Fandefasana hatsikana vaovao  
Boky fanaovan-tsonia Fandefasana taratasy aty amiko

      Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka 

1