Miverena
Miverena
  Mifohaza Rabetorimaso   Manaraka
Manaraka

    Tantara mampihomehy koa ity ka MITENY IRERY no lohateniny. Efa ela no dila ny mitatao-vovonana. Ny sakafo hariva aza efa voatokona. Nisinda kely ireo raho-mainty ny hariva fahavaratra. Somary lefy ilay taratry ny Hary nanao tanik'orana ka iry madiva hidify eny Ambohijafy Izy. Mbola ampy hery anefa ny Hary hanome lokom-bolamena any Ikopa voky andro. 

    Topaza-maso ny Alahamady koa indro Ambohidratrimo misatroka mainty ilay alakely manaloka ireo Fanafenana tranainy. Indrey ny Andrefana: mahazendana ny fisomebiky ny fiara eny Ampefiloha sy Ampasika. Itaosy aza iry toa lasa tanAna lehibe toa anatin'ny folo taona monja. Setry manorina trano valozoro eny Ambaniala ny olona ka tsy misy intsony ny hazo na iray aza. Indreo mitsitokotoko eo anivon'ny tanimbary ery Betsimitatatra ny fanaovam-biriky. Ireo biriky tra-pahavaratra indrindra Iky no porofo ny ezaka tsy nitandroana hasasarana. Ny fefiloha iry lasa tanAna. Ny tanimbarin-drazana teo Anosy nivadika ho Sekoly-Antanimbarinandriana. 

    Tsidihina kely ny Atsimo misy Rova hafahafa. Misarin-dRova ihany kanefa toa tsy mianavara-doha. Trano fihambenana maro no miodidina azy. Saingy Rova vaovao ny taon-jato roampolo ity etsy Mavoloha ka tsy mifototra eny ambony avoana fa mihevaheva eo ankibo-tanety.

    Dia mahatsiaro ity ambany imaso ilay Miteny irery. Ny rary vato sisa mijoro kikisan'ny oram-pahavaratra. Na ny tranomanara aza lasa tapa-porohina mandatsa ny Adaoro tsy niambenana azy. Na lapa-be na Fanafenana na Fiangonana dia toro ny afo avokoa. Ny fototra no hany itadidiana ny nisy ny Rova-Masoandro. Mba hoan'Iza hono Re-Olona ireo Voromahery sy Filahina lehibe eo ambony vavahady? Ny lehilahy lasa nampifalifaly an'Ikala zanak'Imangamaso. Ny vehivavy any ampita alavitra any no miherikerika an-tsena, mitady ny Renin'ny namany any antanin'Olona. 

    Koa zato taona lasa izay, nangoron-damba ny kilonga, nitso-drano ireo Loholona, nifehy ny entan-keliny Ranavalo fa haterin'Imangamaso sesin-tany any Alidzeria. Dia zato taona lasa tokoa izay ny nandravan'ny Badzaha ny tafika Malagasy, nandripahana ny menalamba resy ny mosary sy tazo-mahery tao Imamo.Tsy naha tohitra ny Tsimiamboho lahy, ny Tsimahafotsy, ny Marovatana sy ny sisa. Nalatsak'aina  tao Ambohidahy ny Printsy Ramahatra. 

    Zato taona aty aoriana dia nodoran'ireo Tsifakataranaka ny Manjakamiadana. Resy tanteraka Antananarivo!! 

    Hariva ity ny andro. Indreny ny zatovo lahy sy vavy, vahatra hifaharana, mikoropaka mamonjy fodiana fa mihahihahy oram-pahavaratra. Samy mivimbina ny sakely mitahiry ireo takelaka nandratoana fahaizana tao Avaradrova sy Andohalo.

    Injay manako ny hiran'ny ankizy madinika ao Antsahatsiroa sy Andafiavaratra: 

Mifohaza mifohaza Rabetorimaso, 
Efa maraina anie ny andro. 
Ny tany malama tsy ilaozana ankaso, 
kanefa mbola hiposaka Re ny Masoandro. 

Raiso ny ampinga, mitafiha hery, 
Diniho sy hatreho ny andro vaovao. 
Na vavy na lahy mandehAna tsy an-tery 
Velomy maso ny tanAna-nao. 

Mifohaza mifohaza Rabetorimaso, 
Be noho ny vita ny asa mbola miandry. 
Sokafo ny maso, atsaharo ny andraso, 
Ranito ny saina, alehibeazo ny sandry! 

Dia lasa saina ilay Miteny Irery. Nivadika lahy ny kodiaran-tsarety ka na ny tantaram-pirenena aza nofafana tao aminy fandaharam-pianarana. Nandrorona lahy ny Andrarezina ka na ny zaza madinika aza dia efa lany faharetana sahady! Ny andro mandroso ho alim-pito no hi-hirainy mafy ny hoe: "MIFOHAZA MIFOHAZA RABETORIMASO!!". 

 

Mpandefa:        Rabarison Bruno 
Daty:                02 Mars 1996

 

Miverena
Miverena
      Manaraka
Manaraka

  Miverena any amin'ny pejin'ny hatsikana Miverena any amin'ny tranon'i Benoit Fandefasana hatsikana vaovao  
Boky fanaovan-tsonia Fandefasana taratasy aty amiko

Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka 

1