Miverena
Miverena
  Fanadinana am-bava   Manaraka
Manaraka

- mpanadina: Iza no haingana no haingana ny feo 
             sa ny hazavana?

- mpianatra: Ny feo tompoko! 

- mpanadina: Ndeha mivoaka de miheritrereta  folo 
             minitra ao ivelany ao de midira rehefa 
             mahatsiaro tena fa mahay. 

Afaka folo minitra dia niditra ilay mpianatra. 

- mpianatra: Ny hazavana no haingana tompoko! 

- mpanadina: Tsara! Afaka ianao 10/20 ny isa azonao 
             fa efa nadiso ianao teo. 

Nony tany an-tokotany dia nanontany an'ilay mpianatra indray ilay mpanadina. 

- mpanadina: Fa maninona no nolazainao fa ny feo no 
             haingana noho ny hazavana tamin'ny 
             voalohany de avy eo indray nolazainao 
             fa ny hazavana no haingana? 

- mpianatra: Rehefa nadinika aho tamin'ny voalohany 
             dia tsapako fa ny feo no haingana 
             satria ny feo foana no tonga voalohany 
             rehefa mandefa TV aho. Rehefa nasainao 
             nivoaka aho dia nahatsapa fa mety diso 
             izany satria isaky ny mandefa radio aho 
             dia mirehitra aloha ilay jiro mena sy 
             maitso vao tonga ny feo. Dia izay no 
             nahatonga ahy hiteny indray fa ny 
             hazavana no haingana. 

 

Mpandefa:        Rivo Mahefa Ramarolahy Andriatiaray
Daty:                19 Feb 1997

 

Miverena
Miverena
      Manaraka
Manaraka

  Miverena any amin'ny pejin'ny hatsikana Miverena any amin'ny tranon'i Benoit Fandefasana hatsikana vaovao  
Boky fanaovan-tsonia Fandefasana taratasy aty amiko

Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka

1