Tamin-dRatsiraka mbola
filoham-pirenena hono no nitrangan'ny tantara. Fantatsika
moa fa isaky ny misy mitsidika i lafrantsa dia tsy
maintsy aderadera foana ny Tour Eiffel, ka raha nandalo
tao Parisy hono i Ratsiraka sy i Georges Bush dia
nentin'i Mitterrand (tahio izy fa lasan-ko razana)
nandalo teo alohan'ny Tour Eiffel sady hoy izy
tamin'ireto vahininy: - Izany no Tour Eiffel izany! Izany! Dia tonga tany USA indray hono i Ratsiraka sy i Mitterrand ary nentin'i Georges Bush nandalo ny Statut de la Liberte, ka hoy indrindra izy: - Izany no Statut de la Liberte izany!
Izany! Nony tonga tany Madagasikara amin'izay hono i Georges Bush sy i Mitterrand dia sahiran-tsaina mafy i Ratsiraka fa tsy hitany izay haseho. Nentin-dRatsiraka nitety an'Antananarivo ville hono ireto vahiny, tena tsy hitan-dRatsiraka mihitsy izay holazaina hasetriny ny Tour Eiffel sy ny Statut de la Liberte. Kinanjo nony nandalo ny CitEs Ampefiloha ka hiazo ny ranon'Anosy iny dia samy taitra na i Mitterrand na i Georges Bush raha nahita ny fijoalajoalan'i Madagascar HILTON ka vaky vava sy niara-nanao tamin-dRatsiraka hoe: - Hay ve aty aminareo koa mba misy an'itony e? Fa namaly hono i Ratsiraka: - Inona kay? Georges B. sy i Francois M.: - Itony trano mijoalajoala itony e! Ratsiraka, sady nitoditodika: - Aiza izany? Georges B. sy i Francois M.: - Io e! sady notondrioiny ny HILTON. Ratsiraka, mody calme be ny lehilahy: - Hay ve e! Omaly aho nandalo teto mbola
|
Mpandefa: Benoit Fils Razafimbahoaka
Daty: 31 Jan 1997
![]() ![]() ![]() |
||
![]() ![]() |
Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka