Miverena
Miverena
  Cadillac, Mobilety ary Velo   Manaraka
Manaraka

    Tonga hono ny andro farany ka dia nandalo ny fitsaran'Andriamanitra ireto izy telo lahy mpiaraka tety. Nandeha ny fitsarana ary nivoaka ny didy: 

. Bema dia mahazo Cadillac + saofera fa olona 
  hendry sy tsara fitondran-tena,  sns ... teny 
  ambonin'ny tany. 

. Lita dia mahazo Mobilety satria na dia hendry 
  aza t@ ankapobeny dia nanao ny tsy nety ihany 
  tsindraindray. 

. RapA kosa dia tena nanao ny tsy nety foana ka 
  dia Velo no mendrika ka omena azy. Ka sady 
  mpamily izy izany no mpamohy.

Dia samy lasa nivenjy eraky ny lanitra tany. Elaela taty aoriana dia nihaona i Bema sy i Lita. Nigogogogo be ity Bema ka gaga i Lita ary velom-panontaniana: 

- Fa inona ity mampitomany an'ialahy ohatran'io 
  nefa efa misonanina @ Cadillac? Ny ahy ary 
  letsy Mobilety kely ity fa dia reveko tsara e! 

- Eh! Tsy fantar'ialahy mantsy! Hitako manao 
  Velo miaraka @ RapA any ho aho ny vadiko! 

 

Mpandefa:        Emmanuel Rakotosoa
Daty:                07 Dec 1996

 

Miverena
Miverena
      Manaraka
Manaraka

  Miverena any amin'ny pejin'ny hatsikana Miverena any amin'ny tranon'i Benoit Fandefasana hatsikana vaovao  
Boky fanaovan-tsonia Fandefasana taratasy aty amiko

Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka

1