Miverena
Miverena
  Fangy   Manaraka
Manaraka

    Tao amin'ny SAFF (Sekoly Ambaratonga Faharoa) iray no niseho ny tantara. Taranja Frantsay tamin'izay. I Ramose mpampianatra dia tena masiaka be mihitsy ka dia natahotra azy daholo ny mpianatra. Ary ny zavatra tsy tian-dRamose indrindra dia ny miteny gasy mandritry ny ora fampianarany. I Lita sy i Fangy miara-mipetraka eny amin'ny dabilio farany, mangovitra mafy miandry tour fa adinin'dRamose lesona mifanesisesy isan-databatra ny ankizy. 

    Izy mirahalahy ireo moa dia anisan'ireo mpianatra tena tsy mahavoa mihitsy amin'ny taranja Frantsay. Nisesy ary ireo mpianatra adinin-dramose lesona. Mpianatra 4 sisa dia tokony ho anjaran'i Fangy. Tena mangovitra mipararetra mihitsy ilay ranamana fa izay fanontaniana apetrak'i Ramose amin'ireo ankizy eo alohany dia tsy misy hainy mihitsy. Farany mafy loatra ny "stress" tsy tantiny intsony ka dia nitsipaka safotra teo ambony seza teo i Fangy. Taitra mafy dia mafy i Lita teo akaikiny nahita izany ka hoy izy niantsoantso mafy: 

- M'se, m'se, Fangy,... Fangy,... fangetorana (Fangy est torana).

 

Mpandefa:        Ravonison Njara
Daty:                15 Jul 1996

 

Miverena
Miverena
      Manaraka
Manaraka

  Miverena any amin'ny pejin'ny hatsikana Miverena any amin'ny tranon'i Benoit Fandefasana hatsikana vaovao  
Boky fanaovan-tsonia Fandefasana taratasy aty amiko

      Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka 

1