Miverena
Miverena
  Fitsapana   Manaraka
Manaraka

    Nampanaovina test ireo adala mbola tsaboina tao @ toerana iray fitsaboana adala. Adala telo no notsapaina raha efa azo alefa mody na tsia. Nilazana ry zareo t@ izany fa handeha hilomano. Nasaina nijoro teo @ toerana fitsorahana (plongeoire) teo @ piscine iray izy telo lahy. Ilay piscine amin'io tsy misy rano fa vide. 

    Lasa nitsoraka ilay voalohany ka hoy ilay dokotera: "e e e! Tena mbola tsy avotra iny voalohany iny. Tsy mbola mahazo mody!". 

    Lasa nitsoraka koa ilay faharoa nony avy eo ka hoy ilay dokotera: "e e e! Tena mbola tsy avotra koa iny faharoa iny. Tsy mbola mahazo 
mody!". 

    Fa tsy nety nitsoraka kosa ilay fahatelo, ka hoy ilay dokotera: "Aha! Mahafinaritra! Efa salama io fahatelo io! Alefa mody @ izay". 

    Nony tonga niaraka t@ valiziny teo am-bavahady nanao veloma farany an-dRadoko ilay adala fahatelo dia nanontanian-dRadoko hoe: "Fa nahoana kay hianao no tsy nitsoraka?" 

    Valin-tenin'ilay adala: "Tena tsy mahay milomano mihitsy aho." 

 

Mpandefa:        Benoit Fils Razafimbahoaka
Daty:                18 Jun 1996

 

Miverena
Miverena
      Manaraka
Manaraka

  Miverena any amin'ny pejin'ny hatsikana Miverena any amin'ny tranon'i Benoit Fandefasana hatsikana vaovao  
Boky fanaovan-tsonia Fandefasana taratasy aty amiko

      Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka 

1